Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Athènes, Grèce
Fivoriambe mahakasika ny Ranomasina faha-09

 

Ny volana Jona 2014 tany Washington DC no nisy ny fivoriambe voalohany mahakasika ny ranomasina izay notarihin’Atoa John Kerry, « Secrétaire d’Etat » Amerikana tamin’izany fotoana izany.

Natao izao fivoriambe izao mba handinihana ireo olana rehetra izay mianjady amin’ny ranomasina toy ny fiovan’ny toetrandro, ny fahalotoana, ny fahaverezan’ireo zava-manan’aina maro samihafa ankoatry ny jono tafahoatra sns…

Manatrika ity fivoriambe aty Athènes ity Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Maharitra telo andro ny fivoriana.

Firenena manodidina ny 186 no voasolotena ary Filoham-pirenena 20 no tonga namaly ny antso. Andrasana ny fironan’ny (tendances) Firenena amin’ny asa miaraka tokony hatao, fizarana ny zava-misy any amintsika mba ho fantatry ny rehetra ary ny fiaraha-miasa azo atao rehetra hiatrehana miaraka ireo olana momba ny ranomasina.