Athènes, Grèce Ady amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana sy fametrahana mangarahara eo amin’ny sehatry ny Jono ao Madagasikara
Io no lohahevitra novoaboasan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga satria dia Mpitarika aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina Atsimo Andrefana isika sy eo anivon’ny SADC amin’ny ankapobeny.
Minisitra maro avy amin’ny Firenena maro toa an’i Ghana, Cape Vert, Comores, Guinée Bissau no niaraka namelabelatra hevitra ary samy nidera ny ezaka nataontsika momba ireo lohahevitra ireo. Nanambara isika fa 23 ireo sambo manao ny fitsirihana an-dranomasina ankehitriny raha toa ka 02 ihany izany teo aloha ary efa mipetraka tsara ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny FiTI na « Fishery Transparency Initiative ».
Niantso ireo Mpanambola Atoa Minisitra ho tonga handraharaha amin’ny sehatry ny Toekarena Manga aty Madagasikara satria sady mangarahara no mbola malalaka ny sehatra.
Nisaotra ny ONG Blue Ventures ihany koa izy nohon’ny fiaraha-miasa indrindra fa ny Governemanta Grika amin’ny fanasana.