Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Arrachart, Antsiranana, Faritra DIANA : fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Tantsambo

Nigadona soamantsara eto Antsiranana ireo Minisitra mirahalahy Atoa Ramamonjiarivelo Valéry, Minisitry ny Fitanterana sy Famatarana ny Toetrandro sy Atoa Paubert Mahatante Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga hanome voninahitra izao fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Tantsambo izao.
Marihina fa miara-miasa akaiky ny Ministera roa tonta ho fampiroboroboana ny Toekarena manga eto Madagasikara indrindra fa ny lafiny fitanterana andranomasina sy ny manodidina an’izany. Ny APMF na ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial no angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao izay ho tanterina amintsika eto ihany.