Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Antsiranana, Faritra Diana
Fanavaozam-piarahamiasa

Notanterahina tao amin’ny Université d’Antsiranana, ao amin’ny Ecole Supérieure Agronomique et Environnement na ESAE Antsiranana, ny faha 14 Aprily 2025, ny fanavaozam-piarahamiasa misy eo amin’ny Centre de Développement de l’Aquaculture na CDA Mahajanga sy ny #ESAE Antsiranana, izay natrehin’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Diana.
Nandritra ny roa taona izao fiarahamiasa vaovao izao, izay mikendry ny hampivoatra ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ho an’ny mpianatra Master 2, indrindra amin’ny alalan’ny fanomezana traikefa azo ampiharina sy ny fanohanana amin’ny fanomanana ny memoir-ny.
Ity fiaraha-miasa ity dia manamafy ny fifandraisana eo amin’ny ESAE sy ny #CDA amin’ny sehatra akademika sy ny sehatry ny fampandrosoana, hanome fanabeazana avo lenta sy fahafahana ho an’ny mpianatra, mba hikolokolo taranaka vaovao manam-pahaizana sy matihanina mahay amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fitantanana ny tontolo iainana.