Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

ANTSIRABE
FARI-PISANDRATANA HO AN’NY FIOMPIANA TRONDRO (ZONE D’EMERGENCE PISCICOLE) ENSOA ANTSIRABE : FENO NY FEPETRA REHETRA

Toerana fankatahaka na vitrine no nahafantarana ny Toeram-piompiana trondro lehibe ato amin’ny Ensoa Antsirabe hatramin’izay. Ankoatra ny fiompiana dia hita ao ny toeram-panatavezana trondro, toerana mpamokatana zana-trondro, toeram-piofanana ,toeram-pikotrehana izay afaka mamokatra manodidina ny 200 000 zana-trondro sns…
Feno arak’izany ny fepetra rehetra ahafahana Manao ity toerana ity ho Zone d’Emergence Piscicole #ZEP ka hanao ny ezaka rehetra izy ireo hamatsiana ny Vakinankaratra manontolo.
Nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tao an-toerana no nanokanana izany tamin’ny fomba ofisialy izay manana ny tarigetra hoe #HARENA_MANGA_MAMPIVOATRA.
Zava-dehibe izao fiaraha-miasa izao satria manaporofo fa azon’ny olon-drehetra atao ny asa Fiompiana trondro. Hanamafy hatrany ihany koa ny fiaraha-miasa ny eto anivon’ny MPEB sy ny EnSoa.
Raha misy ny fihitaran’ny toerana any aoriana any dia malalaka ny ahafahana mampitombo hatrany amin’ny 40taonina na 60 taonina ny vokatra trondro ao an-toerana.