Antananarivo, Faritra Analamanga,
ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY FARITRA MANDO
Nanotrona ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny faritra mando izay natao ny faha 03 Febroary 2025, ny #MPEB notarihan’Andriamatoa Tale Jeneraly ny Toekarena Manga ary notronon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Analamanga teo amin’ny farihin’ny Mandroseza, Antananarivo.
Nisongadina tamin’izany ny fanentanana ny tsy hanimbana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny tsy fandoroana tanety, ny fikajiana ny rano sy ny renirano izay antoky ny aina ho an’ny olombelona, ny biby indrindra fa ny trondro, tsy fandotoana ny eny an-tanenty amin’ny tsy fanariana fako isakarazany satria ireny no entin’ny orana izay manentsina ny lakandrano.
Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny sisin-dranon’Ikopa izany hetsika izany.