Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Antananarivo, Faritra Analamanga : Atrikasa fandalinana ny fanadihadihanana ny atontan-kevitra momba ny jono madinika sy ny fampamokarana ny atirano.

Mba hanana atontan’isa mazava momba ny Jono madinika sy ny Fampamokarana ny Atirano, dia niroso amin’ny fanavaozana ny atontan-kevitra nasionaly na « Enquête Cadre Nationale », vita ny taona 2013, ny MPEB, izay iaraha-miasa amin’ny mpanamahay tohanan’ny tetikasa Swiofish 2.
Nisongadina nadritra ny atrikasa ireo fanomezana atontan’isa isam-paritra, nataon’ny mpanamahay, momba ny sehatry ny Jono an-dranomasina sy an-tanety sy ny Fampamokarana ny atirano an-dranomasina sy an-tanety. Izay nanomezana fanantsarana sy tsoan-kevitra vaovao mba hamoahana atontan-kevitra mazava.
Natao teto Antananarivo, hôtel du Louvre, ny 21 Septambra 2023, ny atrikasa izay nandraisan’ny fitalehavam-paritra 23, anjara, miarak’amin’ny fitalehavana teknika anjara sy ny Sekretera Jeneraly ary ny Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano anjara.