Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

ANOSY, ANTANANARIVO, FARITRA ANALAMANGA : ATRIKASA TEKNIKA HANATSARANA NY FAMOLAVOLANA NY SORI-DALANA HO FANOMEZAN-DANJA IREO ZAVA-MANAN’AINA EO AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA ARY NY JONO.

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono ny fisian’ireo kararan-java-manan’aina isan-karazany. Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy miaraka amin’ny FAO mametraka ny paikady sy sori-dalana ary rindran-damina amin’ny fiarovana izany.

Arak’izany dia nisy ny atrikasa teknika fanatsarana ny famolavolana ny sori-dalana amin’ny fanomezan-danja ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono izay tanterahina eo amin’ny Carlton Anosy, Faritra Analamanga ny 03 Oktobra 2023. Tanjona amin’izany ny hiarovana ireo karazan-javaman’aina ireo amin’ny fitrandrahana sy fomba famokarana tsara tantanana ho lovain-jafy.

Nandray anjara amin’ity atrikasa ity avokoa ireo sehatra rehetra vokasika isan’izany ny miankina sy tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo maro hafa. Tsahivina fa ny volana Aogositra 2023 lasa teo no notanterahina ny atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono narahina atrikasa natao tamin’ireo Faritra sasany ary tohin’izany izao atrikasa natao izao.