Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ankorondrano, Antananarivo
« Dialogue national du Fonds pour l’Environnement Mondial de Madagascar » (FEM), huitième cycle de programmation

 

Notontosana nandritra ny 2 andro teny amin’ny Novotel Ankorondrano, ny Fikaonan-doha nasionaly hoan’ny tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny faha 27 Aogositra 2024. Fihaonana natrehin’ny delegasion’ny FEM notarihin’Atoa Filoha Tale Jeneraliny, Carlos Manuel Rodríguez.

Tonga nanome voninahitra ny fikaonan-doha ihany koa ny Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Atoa Max Fontaine Andonirina. Tsiahivina hatrany fa mifampiankina tanteraka ny resaka tontolo iainana sy ny sehatry ny Jono ary ny Toekarena manga. Ny fisian’ny ala no mampisy ny rano ary ny rano no mampisy ny Toekarena Manga.

Anisan’ny tena nojerena nandritra ity fikaonan-doha ity ny fanaovana jery todika ireo Tetikasa efa vita teo aloha sy ireo afaka hanatsarana izany. Marihana fa nandritra ny 30 taona niaraha-niasa tamin’ny Madagasikara dia Faritra 24 no efa nisitraka ny tohana avy amin’ny FEM.