Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ankorondrano, Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa ho fanatsarana ny fitantanana ny Jono Lamatra mifindra-monina eto Madagasikara

 

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena eto Madagasikara ny fanjonoana Lamatra. Manodidina hatrany amin’ny 3,5 Lavitrisa Ariary ny vola ampidirin’izany eo amin’ny kitapom-bolam-panjakana izay mitombo hatrany arakaraka ny zava-misy. Ho fanatsarana hatrany ny fitantanana izany Jono Lamatra izany dia misy ny Atrikasa mahakasika izany izay tanterahana ao amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano ny 14 Desambra 2023 iarahan’ny Ministera amin’ireo mpiara-miombona antoka dia ny Blue Ventures sy ny WWF.

Tanjona ny fahampahafantarana ny rehetra amin’ny antsipiriany ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka ny mahakasika ny fanjonoana Lamatra toy ny Fahazoan-dalana hanjono (Licence de Pêche), ny habetsakan’ny azo jonoina (Quantité) ary ny hampiasana ny vola rehefa avy eo. Isan-taona dia Lamatra manodidina ny 50.000 Taonina no mandalo eto amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara, izay mandalo mandritra ny 03 hatramin’ny 05 volana. Miisa 39 kosa ireo Sambo misehatra amin’izany ka ny 05 amin’ireo dia « Pavillon » Malagasy avokoa ary manodidina eo amin’ny ny 25.000 Taonina no nomena azy ireo.

Nanokatra ity Atrikasa ity tamin’ny fomba ofisialy ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert notronin’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Atoa Tale Jeneraly misahana ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano ary ny solotenan’ny Blue Ventures sy ny WWF ary ireo sehatra rehetra voakasika amin’izany.