Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ankobahoba, Ilampy, Lôhatrôzogno, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
fanarahamaso ireo fambolena lomotra

Raha tsiahivina dia Orinasa Mpamboly lomotra telo no misy eto Sainte Marie (Madalague, SOVALG ary Nosy Boraha Seaweed na NBS). Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ny vokatra azo ary mampiasa olona mivantana sy ankoloka manodidina ny arivo. Mapidi-bola eo amin’ny Ar1,5 ka hatramin’ny Ar2 tapitrisa isam-bolana ny fambolena lomotra eto Sainte Marie.
Ilay teknika fambolena « semi flottante » no hita eto. Mampiasa ilay « piquets en galva » mba hialana amin’ilay fampiasana hazo. Tsy misy intsony ny fampiasana ilay piquets hazo izay nohatsaraina ankehitriny. Marihina ihany koa fa tsy mampiasa bouteilles en plastique ny eto Sainte Marie ary ity modely ity no haparitaka maneraka an’i Madagasikara.
Nanao ny fanarahamaso rehetra ny fambolena lomotra izay ataon’ireo Orinasa telo eto antoerana ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary nanamafy fa mila fazotoana ity asa ity satria mila fikarakarana isanandro toy ny fanesorana ireo lomotra ratsy (mitovy amin’ny ahi-dratsy ihany amin’ny fambolena antanety). Nanome ireo toromarika samihafa ny tenany hanatsarana hatrany ity sehatr’asa ity.