Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ankôbahôba, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
fihaonana amin’ireo Mpamboly lomotra

  Nandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga eto Sainte Marie ity dia nisy ny fihaonana izay niarahany tamin’ireo Mpamboly lomotra. Nanontany ireto farany hoe maninona no fetraina ho 600 toratady (600 lignes) ny olona iray sns. Ao ihany ihany koa ny resaka vidin’ny lomotra izay Ar100/kg ny lena.
 Nanambara ny Minisitra fa asiana io fetra io ho an’ny Orinasa NBS izay tsy lalàna akory fa fomba napetraka mba hahafahan’ny olona iray hahavita hikarakara tsara ilay fambolena ataony ka tsy hisy fandotoana ny tontolo iainana. Nanambara ihany koa ny tenany fa Mbola hanao fanadihadiana momba ny vidin’ny lomotra manerana an’i Madagasikara sy aty Afrika (benchmark) ka handroso sosokevitra avy eo.
Afa-po amin’ny fifanakalozana ara-teknika sy momba ireo lalàna vaovao toy ny didim-pitondrana laharana 841/2024 mahakasika ny fambolena lomotra eto Madagasikara ny roa tonta. Nanotrona an’Atoa Minisitra teto ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Sainte Marie sy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.