Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andriamanjoro, Fkt Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny
Fizarana fampitaovana hoan’ireo mpanjono

 

Mitohy ao amin’ny Fkt Marosakoa ny fitsidiha’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny 29 Novambra 2023, izay voalohany ihany koa no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono maro be izay efa ela niandrasana ao an-toerana.

Anisan’ny mampiavaka ity toerana ity ny fananany tontolo manodidina izay mahasarika maso sy mpizahatany ary voadidina ranomasina avokoa ny fokotany ao an-toerana.

Tonga nifanakalo hevitra sy nifampizara fanentanana maro isan-karazany ny tenany entina hanatsarana ny seham-piharian’izy ireo.

Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Kaominina Mariarano tamin’ny fitaovana ho enti-miasa nomena azy ireo androany. Nahitana salotra vonjy aina sy kojakoja miaraka aminy, « filet multifilament » ihany koa izay voalohany no hampiasana azy eto Madagasikara.

Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ho azy ireo izany androany izay narahana fanentanana isan-karazany mahakasika ny fampiasana izany. Teny an-toerana ihany koa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny sehatrin’ny Jono ary ny tompon’andraikitra ao an-toerana.