Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andranokobaka, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro: Fitsidihina toerana famokarana zana-trondro.

Ho fanomanana taom-piompiana trondro dia nisy ny fitsidihina toeram-piompiana mpamokatra zana-trondro izay notanterahin’ ny Cirpeb Moramanga tao amin’ny Fkt Andranokobaka, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ny 05 Oktobra 2023 lasa teo.

Hita tamin’izany fa tsara tokoa ny fiomanana ahafahana mamokatra tsara kalitao hamatsiana ny eo an-toerana, ary mandefa ivelan’ny Faritra.Amoron-dalana amin’ny RN2 moa ity toerana ity, ka mora ny hanamorana ny famoahana ny vokatra sy ifaneraserana amin’ny mpanjifa.