Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andohatapenaka , Antananarivo
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fier mada Andiany faha-25

 

Toekarena ambanivohitra miroborobo, harovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra amin’ny asa famokarana. Io no lohahevitra fanentanana mandritry ity Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Toekarena Ambanivohitra eto Madagasikara Andiany Faha-25 ity izay tanterahana mandritry ny 5 andro eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.

75% ny Malagasy dia tantsaha avokoa ary isika eto Madagasikara dia manana ireo karazana vokatra maro izay mampiavaka antsika amin’ny hafa ka natao izao Tsenabe izao ho fanomezana-danja manokana ho azy ireo hahafahany mampiranty ireo vokatra na avy amin’ny fambolena na fiompiana na amin’ny sehatry ny Jono ary indrindra ny amin’ny resaka fitadiavana lalam-barotra.

Raha hoan’ny sehatry ny Jono dia miankina betsaka amin’ireo sakafo-trondro no mampahomby ny fiompiana azy na tsia , misy ireo vokatra provandy vita avy amin’ny tsako, sns… izay afaka atao tsara ho azy ireo, eo ihany koa ny fiompiana lalitra . Hatreto dia mahatratra 350 000 taonina ny provandy mbola tokony ho vokarina ho amin’izany.

Miisa 450 ireo trano heva eny an-toerana ary mandray anjara ao avokoa ireo tantsaha avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.

Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy androany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert.