Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andavadoake, Kaominina Befandefa, Distrikan’ny Morombe
Fizarana fitaovana ho an’ny Mpiandriake

 

Tananan’ny Mpiandriake ary isan’ny malaza aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana i Andavadoake. 80% ny mponina eto no mivelona amin’ny ranomasina. Aondrana mankany Morombe, Toliara sy ireo tanan-dehibe maro ny vokatra eto.

Mpiandriake miisa 100 no nahazo salotra vonjy aina, radio à manivelle, torche, bouée de repérage filet, sacs, famantaranandro tsy matahotra rano, fitoeran’ny finday sns… Naneho ny hafaliany ireo Mponina ary nanambara fa izao vao nisy Minisitry ny jono nitsidika ity toerana ity hatrizay.

Manohy hatrany ny fidinana ifotony Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiara-miasa aminy. Betsaka ny toromarika mahakasika ny hitantanana ny harena an-dranomasina izay nomeny teto ankoatry ny famaliana ireo fanontaniana izay napetrak’ireo Mpiandriake taminy momba ireo lalàna maro samihafa.