Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andadoany, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
Fitsidihana ny Seranan-tsambo « le vieux port »

 

Ny seranan-tsambo sy ny Fitaterana an-dranomasina dia singa iray lehibe izay hita amin’ny Toekarena Manga. Miisa 17 eo ho eo ireo Seranan-tsambo salantsalany (interêt national) eto Madagasikara ary iray amin’izy ireo ity hita eto Andadoany ity. Taorian’ny fahavitan’ny Seranan-tsambo Ehoala izay lehibe (interêt régional) dia tsy heno firy ity « vieux port » ity.

Ny taona 2018 – 2019 no nisy sambo mpitatitra entana antonony na manao « cabotage » mampitohy an’i Toamasina sy Taolagnaro. Mitatitra olona sy ireo entana toy ny fiarakodia, vary, siramamy, fitaovana fanamboarana trano, simenitra sy ny maro samihafa. Manala-pahasahiranana ny sambo manao « cabotage » (beachers) izay saika afaka mihantsona amin’ny toerana rehetra satria mora ny saran-dalana sy ny saran’ny fandefasana entana.

Ankehitriny dia efa tafakatra 12 ireo sambo manao « cabotage » mampitohy an’i Toamasina sy Taolagnaro ary Toliara. Mihamaro hatrany ireo mpampiasa azy ary tafiditra ao ny « Brasserie Star », ny PAM sy ireo Mpandraharaha maro aty atsimo. Mampihena ny fahasimban’ny lalana ny fampiasana sambo ary mamorona asa maro ho an’ny Tanora. Marihina fa 80% ny entana mivezivezy eto an-tany dia mandalo ranomasina avokoa. Ny APMF na ny « Agence Portuaire Maritime et Fluvial » no mitantana ireo seranan-tsambo ireo eto Madagasikara.