Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Analameloka, Kaominina Ankarana, Distrikan’i Farafangana
Fizarana fitaovana ho an’ny mpanjono

 

« Masque à tuba » sy « Palme » miisa 100 isa avy no nisitrahan’ireo mpikambana ao anaty fikambanan’ny mpanjono miisa 9 ao anatin’ny Kaominina Ankarana, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana tao Anameloka.

Fitaovana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga entina hampiroboroboana ny jono sy hanatsarana ny velotenan’izy ireo tao aorian’ny fanolorana « Kits de sauvetage en mer » teo aloha.
Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanana Miray hina, Mpanjono tsara, Miraindraiky, Tongasoa, Mandroso tsara, Mirary soa, Miaramandroso1 sy 2 ary ny Fikambanana LLMA Fiatsara.

Nanatrika sy nanome voninahitra ity fizarana fitaovana ity ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ankarana.