Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Faritra Analamanga
FIARAHA-MIASA AN’I MADAGASIKARA SY TURQUIE AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA

Fanindroany izao no nandalo Teto amintsika ireo Masohivoho Turquie eto Madagasikara niresaka amin’ny ahafahana Manatanteraka ny fiaraha-miasa amin’ny resaka #Toekarena_Manga anisan’izany ny Jono. Marihina fa Manana ny fahaizana manokana izy ireo Ary koa ny enti-manana ka Vonona ny hiara-hiasa amintsika ahafahana mijery ireo harena Mbola tsy voatrandraky Madagasikara anisan’izany ireo ressources au large, ireo ressources demersales, Ary ireo ressources benthiques.

Voaresaka tao ny ahafahana Manao fifanakalozana eo amin’ireo « expert en pêche » aty Madagasikara Sy ry zareo any Turquie mba ahafahana Manatsara hatrany ny traikefa. Mahafapo azy ireo ny fifampiresahana izay Efa natao Ary hitohy izany ho amin’ny herinandro amin’ny alalan’ny fanantanterahana  ny fifanaovan-tsonia Fiaraha-miasa eo amin’ny toa Tonta.