Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo
Fizarana fahalalana nataon’Atoa Peter Bouckaert

 

Nifampitafa niaraka tamin’ireo mpiasa eto anivon’ny MPEB, Atoa Peter Bouckaert, mpanamahay ao anatin’ny « Cabinet shadow » ny faha 23 Novambra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga.

Nizara ny traikefa mahakasika ny fampamokarana ny atirano, ny fanangonam-bokatrin’ny jono sy ny fanodinana izany ary ny fomba fanangonana tahirin-kevitra maripototra izay ataon’ny Blue Ventures miaraka amin’ireo mpanjono madinika any amin’ny firenena Afrikanina Andrefana toy Senegaly ary ny firenena Asiatika toy ny Filipinina.

Nambarany ihany koa fa tokony hisy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpanjono madinika avy amin’ireo firenena vahiny ireo sy ny avy eto Madagasikara mba ho fampandrosoana ny Jono ary ny mba hampaharitra ireo harena anaty rano amin’ny alalan’ny fitantanana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny faritra arovana an-dranomasina.