Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo
Fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Delegasiona avy any Indonésie

 

Tonga nitsidika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao Ampandrianomby, ny Delegasiona avy any Indonésie notarihan’i solotena avy ao amin’ny masoivohon’izy ireo eto Madagasikara androany 30 Novambra 2023.

Mitsidika Ministera maromaro ireo delegasiona ireo mandritra izao diany aty Madagasikara izao ary efa nisy ireo voatsidika nandritra izay fotoana nahatongavan’izy ireo izay tamin’ity herinandro ity.

Fanomezana tohana fiofanana (Formation) sy fanamafisana ny fahaiza-manao (Renforcement de capacité) eo amin’ny sehatran’ny angovo (énergie), harena an-kibon’ny tany (mine), fiarovana an-dranomasina (sécurité maritime), asa tanana (artisanat) ary ny fampamokarana ny atirano (aquaculture) eto Madagasikara no tena anto-dian’ireto delegasiona avy any Indonésie ireto. Izao moa dia vokatrin’ny fifampiresahana izay nivoitra tamin’ny fihaonana AIS Forum izay natao teto Madagasikara ny volana aogositra lasa teo ary ny fihaonana an-tampony teo amin’ireo Nosy sy Vondrona Nosy mpikambana ao amin’io AIS Forum ny volana oktobra lasa teo ka natrehan’ny delegasiona Malagasy tany Bali – Indonésie.

Hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana dia mifototra amin’ny sehatrin’ny fampamokarana ny atirano sy ny jono ary ny toekarena manga amin’ny ankapobeny ny fiaraha-miasa hiarahana amin’izay fanomezana fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao izay mba hafahana mampiakatra ny vokatra sy ny toekarena eto Madagasikara.

Manoloana izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta hafahana mijery ny zavatra tena ilaina hafahana miroso amin’izany.

Ao amin’ny fotoana ilana izany mihintsy moa ny Ministera amin’izao raha nandray fitenenana Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera izay nitarika ny delegasiona ankilany satria dia ao anatin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny fampamokarana ny atirano mihintsy ny Ministera amin’izao amin’ny alalan’ny fiompiana trondro sy fambolena lomotra izay efa mahazo vahana ankehitriny manoloana ny velaran-drano sy ranomasina ananan’i Madagasikara hafahana manao izany.

Nanatrika izao fotoana izao moa ireo solotena avy amin’ny Fitaleavana vitsivitsy voakasika izany eo anivon’ny Ministera.

Raha ny tetiandro napetraka dia hanomboka amin’ny volana Janoary izao ireo fiofana maro samihafa araka ny filan’ny Ministera ka mifanaraka amin’ny tantsoroka izay efa napetraky ny Firenena Indonésie.