Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo
Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana

 

Ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara dia ny lafiny fampianarana no tsara atao vaindohan-draharaha voalohany. Noho izany indrindra dia tafapetraka ny fiofanana mahakasika ny « Management de l’Economie Bleue » mamokatra « Technicien Supérieur en Pêche et Aquaculture » na Teknisiana ambony amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano ao amin’ny IST (Institut Supérieur de Technologie) d’Antsiranana hazahoana ny mari-pahaizana « Bacc +2 » ka hotohizana tsikelikely hatramin’ny « Bacc +5 » na « Ingeniorat » izany.

Izao moa dia mamaly ny filan’ny Faritra nohon’ny fananan’i Madagasikara fari-dranomasina lehibe sy renirano ary farihy maro ka afaka hampitombo ny Toekarena Malagasy.
Ilaina ny fianarana sy fahafantarana ary ny famehezana ny zavatra manodidina sy ny ao anatin’ireo voalaza etsy ambony mba hafahana mitrandraka maharitra.

Manoloana izany rehetra izany dia natao androany 01 Desambra 2023 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana mba hafahana mizara fahaizana, traikefa ary indrindra mampita ny fahalalana rehetra manodidina izay Toekarena Manga izay mankany amin’ireo mpianatra mba hafahan’izy ireo mampihatra an’izany eo amin’ny fiainana.

Ny Toekarena Manga dia hafahana mamorona asa marobe, hafahana manatsara ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ary mampihena ny ampahany betsaka ny tahan’ny fahantrana.

Tonga nanao sonia izao fifanaraham-piara-miasa izao ny Tale Jeneralin’ny IST Antsiranana notronin’ireo delegasiona avy any an-toerana sy ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera notron’Atoa Ministra MAHATANTE Paubert sy ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera.