Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo solotenan’ny Vondrona Afrikana

 

Taorian’ny famaranana ny atrikasa fankatoavana ny valin’ny « Études sur l’alignement des politiques et stratégies de développement de Pêche et Aquaculture aux instruments mondiaux et le PDDAA' » natao tao amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny faha 11 Septambra 2024, dia noraisin’Atoa Ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Dr. MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny birao fiasany ireo solotenan’ny Vondrona Afrikana (UA-BIRA) niaraka tamin-dRtoa DRPEB Vakinankaratra, « point focal » eto Madagasikara.

Nifantoka tanteraka tamin’ny fomba fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa ny dinidinika natao ka anisan’izany ireto manakara ireto:
Fanomanana ny « Forum des jeunes PanAfricains en Économie Bleue » izay kasaina hotanterahana eto Madagasikara.
Fampiroboroboana ny « Plateforme SIDS », noho i Madagasikara izay isan’ireo Firenena mitarika ao anatin’izany.
Ny mahakasika ny PFRS manokana hoan’ny eo anivon’ny COMESA izay efa vonona sy handalo famakafakana sy fankatoavana tsy ho ela.
Tsiahivina ihany fa ny UA-BIRA dia isan’ireo mpiara-miombona antoka vahiny nasaina manokana ary nahatonga solotena nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena momba ny Toekarena Manga andiany faharoa notanterahina tao Toamasina, Faritra Atsinanana, ny 5 – 6 Septambra 2024 teo ary sambany tamin’ny tantara izany.