Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Tatitra mahakasika ny fitrandrahana sy ny fanondranana Drakaka (Scylla Serrata)eto Madagasikara nandritra ny taona 2023

 

Mitentina 2.791.900.000 Ariary ny vola nampidirin’ny seham-pihariana Drakaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023 raha 704.600.000 Ariary izany tamin’ny taona 2021. Azo ambara fa fahombiazana tanteraka izany ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Paikady sy fanavaozana napetrakin’ny Ministera no nahazoana izany vokatra izany hoy Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert nandritra ny fanaovana tatitra ny fanondranana sy ny fitrandrahana Drakaka nandritra ny taona 2023 tamin’ireo mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena ny 08 Desambra 2023 teny Ampandrianomby.

Orinasa miisa 28 no misehatra amin’ny fanondranana Drakaka eto Madagasikara ary Drakaka velona nanodidina ny 1.241 Taonina sy Drakaka « congelés » 1.675 Taonina no naondrana nahazoana izany vokatra izany. Ratsa-mangaika mpanara-maso ny fanondranana ny vokatra mankany ivelany ny ASH.

Vina lehibe hoan’ny Ministera moa ny hitantanana maharitra ity harenan-dranomasina ity noho izany dia maro ireo paikady apetraka ho amin’izany toy ny fanarenana ny ala honko na »restauration des mangroves », ny « engraissement des crabes » ary ny « élevage des crabes ». Tsiahivina fa voararan’ny lalàna ny fitrandrahana Drakaka latsaky ny 11cm.