Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo Faritra Analamanga
Fihaonana tamin’ny Ambasadaoro Robert Scott avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerika

Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby Antananarivo anio 13 Mey 2024 ny Ambasadaoro Robert Scott avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerika, izay Lefitry ny Komandy Misahana ny Fiaraha-miasa Sivily sy Miaramila miaraka amin’ireo delegasionina izay notarihiny.
 Noresahina mandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanam-bara ary tsy voafehin-dalana. Eo ihany koa ny amin’ny tokony hananatsika « vision régionale » ato amin’ny fari-dranomasina misy antsika iarahana amin’ireo Firenena manodidina sy ny fiaraha-miasa mahakasika izany mba ho ranomasina afaka hamelona vahoaka.
 Tsy adinon’Atoa Minisitra moa no nitondra teny fisaorana ho an-dry zareo Amerikanina amin’izao fandalovany eto amintsika izao, fanintelony amin’ity taona ity tokoa mantsy izy ireo no nandalo tato amin’ny Ministera, midika izany fa misy zavatra mandeha ato amintsika ary isika koa tsy afaka ny hiteny hoe mahavita tena samirery fa tsy maintsy mitady hatrany ny tohana avy amin’izy ireo eo amin’ny traikefa hananany.