Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga : Fihaonana tamin’ireo mpikaroka avy amin’ny Cirad.

Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany eny Ampandrianomby Antananarivo, Faritra Analamanga anio 10 Oktobra 2023 ireo mpikaroka avy amin’ny Cirad. Ireto farany izay miantsehatra fikarohana mba hisian’ny fampandrosoana amin’n Fambolena sy Fiompiana indrindra ny sehatry ny Fiompiana trondro amin’ny toerana iray.Mandalo eto Madagasikara izy ireo amin’izao mba hijery ny afahana miara-miasa indrindra ny ahafahantsika mampitombo izany resaka ny Fiompiana trondro izany eto Madagasikara.
 Noresahina nandritra ity ny fihaonana ity ny mahakasika fiompiana ny trondro an-tanimbary,anaty fefy mitsingevana, anaty dobo sy ireo mety ho endriky ny Fiompiana trondro azo atao. Noresahina ihany fijerena ireo karazana trondro efa ompian’ny olona maro any ivelany ka tokony iompiantsika eto Madagasikara ihany koa. Fiompiana izay tsy mitady sakafo be loatra sy afaka mivelona amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao ary mitombo malaky.
Voaresaka nandritra izany ihany koa ireo traikefa hita any amin’ny Firenena hafa toy ny any Vietnam, Indonésie , Thaïlande sy Philippine izay ezahina ho jerena ny soa sy ny tsara hita amin’izany ka hampiarina eto Madagasikara. Ny Cirad moa no anisany nitondra izany traikefa izany tamin’ireny Firenena ireny.Inoana sy antenaina arak’izany fa hisy ny fiaraha-miasa iarahana amin’izy ireo izay ahitan’ny rehetra tombontsoa indrindra ho an’ny mpiompy trondro eto Madagasikara.