Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby-Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny MPEB sy ny FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa

Niroso tamin’ny Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ho fanamafisana ny fanohanana ireo tetikasa ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga, FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fifanaovan-tsonia notanterahina teny amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ny 22 Janoary 2025.

Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny asa efa natomboky ny FMFP tao anatin’ny 05 taona nisiany amin’ny fanohanana ireo tetikasan’ny Jono sy Toekarena Manga. Marihina fa nandritra izay fotoana izay dia miisa 34 ireo tetikasa novatsiany. Tafiditra tao anatin’izany tetikasa izany ny fanohanana ireo Mpanjono madinika, mpanangom-bokatra, vadin’ny mpanjono, mpiompy trondro anatin’ny Fikambanana sy ireo maro hafa.

Ankehitriny dia hiroso amin’ny fanohanana ihany koa ireo Fikambanana izay miantsehatra amin’ny fitantanana sy fampandehanana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny Jono sy ny Fihariana anaty rano izay naorin’ny Ministera manerana ny Nosy, isan’izany ny  » hangar de marché » sy ny « chambre froide »,ny ZEP, « complexe de Pêche ».

Izany rehetra izany dia mifanindra an-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny paikadin’ny Nasionaly ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara. Nanatanteraka izany fifanaovan-tsonia izany moa Atoa RAKOTOSOA Rado Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga sy Atoa RAOELINA Pierre Tale Jeneralin’ny FMFP notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera.

#MPEB #FMFP #Fanohanana #Tetikasa #Jono #Toekarena_Manga