Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsonia finaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny WWF

 

Ho fanohizana ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanankalozana sy ny fanangonana ireo antontan’isa marina miainga avy eny ifotony mahakasika ny Jono madinika eto Madagasikara, dia nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministera sy ny WWF ny 07 Novambra 2023.

Fifanaovan-tsonia izay nisoloan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera TILAHY Desiré sy Talean’ny WWF Madagasikara Nanie Ratsifandrihamanana, izay notanterahina teny Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo mpiara-miasa aminy.

Hetsika tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono madinika.
Ity moa ny fifanaraham-piaraha-miasa faha 28 notanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga hatramin’izay nitsanganany ho Ministera izay.