Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandratokana, Kaominina andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana ny tobin’ny Maseran’i Kristy (Sœurs du Christ)

 

Isan’ny fikambanana izay nahazo tosika tamin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Ihorombe ireto Raiamandreny ara-pinoana izay miompy trondro sy biby hafa ary manao fambolena ihany koa. Ny tena mahafaly ny rehetra dia ny fizarana ataon’izy ireo hoan’ny hafa satria manofana renim-pianakaviana maro ihany koa ry Masera rehefa nahazo fiofanana avy amin’ny Minisitera.

Zanatrondro arivo mahery no natolotra azy ireo roa volana lasa izay. Inoana sy antenaina ny hitomboan’izany. Tsikaritra fa mbola fiompiana mivelatra na élevage extensif no ataondrizareo eto. Nasiana fanamarihana izany satria raha mikendry vokatra tsara dia ilaina ny mamadika izany ho fiompiana arahin-tsakafo na élevage intensif.

Tonga nitsidika ity toerana ity Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiaramiasa aminy izay notronin’Atoa Prefet ao Ihosy. Nanome ny toromarika rehetra ny tenany ny hanatsarana ity sehatra ity ary nisaotra ireo Raiamandreny ara-panahy izay manampy ny amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro eto Madagasikara.