Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampahitra ,Pk 13 , lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’ala
MIHA MARO IREO OLONA MISEHATRA AMIN’NY FIOMPIANA TRONDRO TAORIAN’NY FANENTANANA IZAY NATAO

Tamin’ny taona lasa ny volana septambra 2024 no nanao ny fanentanana maro samihafa mahakasika ny fiompiana trondro tao amin’ny Distrikan’ny Anosibe an’ala ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert . Ankehitriny Dia miha maro ireo olona misehatra amin’izany aty an-toerana toa an’i Mr Marcelin izay nomena ny toromarika ara-teknika rehetra ahafahana manatsara sy mampiroboro ny fiompiany.
Vonona hatrany ny Ministera miaraka amin’ireo teknisiana rehetra amin’ny fanohanana ara-teknika rehetra sy amin’ny fanaraha-maso isan-karazany ary hiezaka ihany koa amin’ny fitadiavana lalam-barotra ho azy ireo Raha ny nambaran’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihana izay nataony.