Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambovombe, Faritra Androy : Fanolorana ny fanalahidin’ny Birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Natolotr’Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady Ministra mpiahy ny Faritra Androy, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, androany 05 Oktobra 2023, ny fanalahidin’ny Birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy ao Ambovombe.

Marihana fa raha tsy nanana birao manokana mihintsy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy hatramin’izay dia ankehitriny nahazo izany izy ireo. Anisan’ny birao manara-penitra izay tafiditra indrindra amin’ny fampandrosoana ny Faritra araky ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana foto-drafitrasa hitondra fampandrosoana hoan’ny Distrika sy Faritra manerana ny Nosy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao fotoana izao Atoa Governoran’i Faritra Androy, ny Ben’ny Tananan’Ambovombe sy ireo Talem-paritra isan-tsokajiny ary ireo olo-manakaja ao an-toerana.

Velombolo ary velom-pisaorana ny fitondram-panjakana noho izany ny Fitaleavam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra Androy noho ny fahazoana izao foto-drafitrasa vaovao izao.