Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambovombe, Faritra Androy : Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Foara VOATSE

Nosokafan’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady Ministra mpiahy ny Faritra Androy, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao Ambovombe, Faritra Androy, tamin’ny fomba ofisialy androany 04 Oktobra 2023, ny hetsika Foara VOATSE.

Notsindriny nandritra ny lahateny fanokafana ny hoe: « Izaho, Ianao, Iaranareo ary Isika rehetra miaraka mifarimbona sy miara-miasa no hitondra fampandrosoana ho an’ity Faritra ANDROY mamintsika ity ». Lahateny mifono firaisankina, fifanampiana, fiombonana ary fifankatiavana, nanoloana ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo vahoaka tonga maro nanatrika sy nanome voninahitra tao an-toerana.

Taorian’ny lanonam-panokafana dia nisy ny fitsidihana ireo trano heva nampirantina ireo vokatra misy eo anivon’ny Faritra toy ny fambolena, fiompiana, jono, kolontsaina ary ireo asa tanana isan-karazany.
Nitohy tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny Tanora sy ny fampiofanana arak’asa ny hetsika izay nahitana ny fandraisan’anjaran’Atoa Ministra.