Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

AMBOVOMBE ANDROY (Androy) & AMBOASARY ATSIMO (Anôsy)
Famahana ny olan’ny tsy faham-piandrano fisotro

Tonga nijery ifotony ny fandroson’ny asa fametrahana ilay tetikasa « pipe-line » Mandrare-Sampona ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina anio 12 Janoary 2025, notronin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, mpiahy ny faritra Androy, Atoa MHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Solombavambahoaka mirahalahy foafidy tao Amboasary Atsimo Atoa RAKOTONIRINA Richard sy Atoa ANDRIAMAMONJY Olivier.
Fotodrafitrasa ahitana paompy fisitoman-drano sy fampakaran-drano maromaro mitohy amin’ny alalan’ny fantsona lehibe izay manangona ny rano ao amin’ny tobindrano ao Andranogoa kaominina Sampona, mialoha ny hitsinjarana azy amin’ireo kaominina voakasika.
Nisy araka izany ny fihaonana tamin’ny vahoakan’ny Maroalomainty, ny fitsidihana ny sinibe fanangonan-drano ao Andranogoa sy ny « station de relevage » iray.
Napetraky ny fitondram-panjakana manokana ity tetikasa ity mba hamahana ny olana aty Atsimo ka hahafahana mamatsy rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny kaominina Sampona, Distrikan’ny Amboasary Atsimo, ny kaominina Maroalopoty ary Maroalomainty, Distrikan’Ambovombe Androy sy ny manodidina.