Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Fampiofanana momba ny fambolena lomotra

  Nandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert dia nampiofana ireo solontenan’ny Mpamboly lomotra ao Sainte Marie ny tenany. Niatrika izao fizarana izao ny solontenan’ny Orinasa telo sy ireo Mpamboly tsy miankina. Marihina fa manodidina ny 1.000 ny isan’ireo olona manao izany fambolena lomotra izany ary manodidina ny 200 taonina isan-kerinandro ny vokatra lomotra lena.
   Nambaran’Atoa Minisitra fa mahatratra 36 tapitrisa taonina isan-taona ny lomotra vokarina manerantany. Ary i Azia no mitazona ny loha laharana satria maherin’ny 70% no lomotra vokarina ao. Manodidina ny 3.000 taonina isan-taona kosa ny vokatra eto Madagasikara ankehitriny raha toa ka 1.200 taonina izany ny taona 2021. Tanjona ny hahatratra 25.000 taonina lomotra maina ny Taona 2030.
Manoloana izany tanjona izany dia efa miparitaka manerana an’i Madagasikara ny fambolena lomotra ankehitriny izay hita ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe, DIANA, SAVA, Analanjirofo. Teknika roa no tena ampiasaina, ilay off bottom na fambolena miala kely amin’ny tany sy ny longline izay miala kely ihany koa ny faritra ambanin’ny ranomasina (surface). Samy mampiasa tady ireo teknika ireo. Ka ilay fampiasana tsatoka na piquet en galva no tena mampiavaka ny fambolena lomotra ao Sainte Marie.