Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Fitsidihana tsenan’ny trondro sy fihaonana amin’ireo mpivarotra trondro

Nijery ireo toerana ivarotana trondro sy nihaona amin’ny Mpivarotra trondro ao Sainte Marie ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante. Hita teto fa tena mbola manana vokatra ity faritra ity ary voamarina fa ny vahoaka aty no isan’ny tena mihinana trondro betsaka eto Madagasikara.
Hatsangana tsy ho ela ihany koa ny fikambanana RENAFEP na ny Reseau National des Femmes œuvrant dans la Pêche hahafahana manohana ireo renim-pianakaviana izay misehatra amin’ity fihariana ity. Hatao ihany koa ny fampifandraisana azy ireo amin’ireo tambajotra eto Madagasikara sy ao Afrika.