Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Amboanato, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
Fitsidihana ny Orinasa SOIEXT

 

Ny taona 2014 no niasa farany ity Orinasa mpanondrana vokatra an-dranomasina ity eto Taolagnaro. Roa volana lasa izay no nisy ny fifampiresahana teo amin’Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ny tompon’ny Orinasa ny tokony hamerenena indray ity farany mba hamorona asa no sady ho afaka hividy vokatra eto an-toerana.

Vokatra oratsimba na « langouste » no tena aondrana avy eto ary hiitatra amin’ny trondro, angisy na « calmar » ary drakaka ihany koa. Mahazaka vokatra hatramin’ny 30 taonina ity toerana ity ary mampiasa olona hatramin’ny 50 any ho any. Raha tsiahivina dia volana maromaro lasa izay no nisy olana resaka Oratsimba izay tsy ampy ny mpandray vokatra. Isan’ny vahaolana hita ny famerenana ity Orinasa ity ka manampy amin’ny ara-teknika ny Minisitera.

Hanondrana vokatra mankany Eropa sy Asia ity Orinasa ity izay Malagasy no Tompony. Nampitain’Atoa Minisitra avokoa ireo fanatsarana rehetra izay ilaina hatao mialohan’ny « visite d’agrément » hataon’ny « Autorité Sanitaire Halieutique » na ASH izay efa nanome ny fankatoavana momba ny « Plan d’Usine » izay tanterahina ankehitriny.