Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Fanentanana ho amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ireo Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga (DRPEB) amin’ny alalan’ny fanentanana ho amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga eny ifotony.
Ho an’ny teo anivon’ny DRPEB Alaotra Mangoro dia tao amin’ny Tranobe Masinjara Ambatondrazaka no nanatanterahana izany ka fijery niavaka no nitondrana ny hetsika fanentanana izay natomboka tamin’ny alalan’ny fahampafantarana ny nanatrika ny tomban’ny vokatra tahiry ao amin’ny farihin’ Alaotra izay mahatratra hatrany amin’ny 200 000 Taonina.
Manoloana izany dia tsy mitsahatra manao ezaka ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga hamerenana lazan’ny Faritra momba ny famokarana haza an-drano.
 
Manaraka izany dia nampatsiahivana ny besinimaro fa azo hatao ihany koa ny miantsehatra amin’ny fiompiana trondro an-tanimbary hamokaran’ny lemak’ Alaotra trondro izay hotombanana hamokatra hatrany amin’ny 1 000 Taonina isan-taona.
 Ankehitriny dia efa maro no miray làlana amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga hahatongavana amin’izany tanjona hapetraka izany ka anisan’izany Atoa Minisitry ny Asa vaventy izay nanome zana-trondro narotsaka tao amin’ny farihin’Alaotra izay narahina fanomezana toromarika samihafa ihany koa.