- Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra AnalamangaLoabary an-dasy niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar »Nandritra ny hetsika lehibe izay natao hanomezan-danja ny mpamokatra sy ireo mpandraharaha ary koa ireo mpitsidika toy ity foara tanterahana mandritra ny 04 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ity dia misy hatrany ny fifampizarana traikefa sy torohay isan-karazany amin’ny alalan’ny loabary an-dasy entina handinihina lohahevitra mifandraika amin’ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono, ny Indostria, sns… Nandritra ny andro voalohany dia ny loabary an-dasy avo lenta no notanterahana izay niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar » niarahana tamin’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert (Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga), Atoa HAJARISON François Sergio (Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana), Atoa RASAMIMANANA Tiana (Filohan’ny SIM), Atoa RASOAMANANA Christian (Filohan’ny CNIM), Atoa HARY Landza (MGA). Eo amin’ny sehatrin’ny Jono dia noresahan’Atoa Ministra ireo paikady entin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny resaka Fiompiana anaty rano hisorohana ny « surpêche » izay mahalany tamingana ny harena anaty rano. Eo ihany koa ny fanomezana fampiofanana maneran-tany ny Faritra, ny fametrahana ireo foto-drafitrasa toy ny « Unité de froid » sy ny « Unité de transformation », sns…
- Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra AnalamangaFandraisan’anjaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny FIA 2024Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 12 Septambra 2024 tao amin’ny Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) 2024 Andiany faha-06. Tanjona amin’izao Foara izao ny hampiakarana ny taham-pamokarana sy ny fijerena manokana ireo Tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra mba hafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo araka ny voarakitra ao anatin’ny Politika ankapobeny Fanjakana (PGE). Noho izany indrindra dia isan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny fametrahana Trano heva sy fandraisan’anjaran’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tamin’ny lohabary an-dasy. Tonga nisolo tena an’Atoa Ministra nandritra ny fanokafana Atoa Talen’ny Kabinetra notronon’Atoa Sekretera Jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga.
- Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra AnalamangaFitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo solotenan’ny Vondrona AfrikanaTaorian’ny famaranana ny atrikasa fankatoavana ny valin’ny « Études sur l’alignement des politiques et stratégies de développement de Pêche et Aquaculture aux instruments mondiaux et le PDDAA' » natao tao amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny faha 11 Septambra 2024, dia noraisin’Atoa Ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Dr. MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny birao fiasany ireo solotenan’ny Vondrona Afrikana (UA-BIRA) niaraka tamin-dRtoa DRPEB Vakinankaratra, « point focal » eto Madagasikara.Nifantoka tanteraka tamin’ny fomba fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa ny dinidinika natao ka anisan’izany ireto manakara ireto:– Fanomanana ny « Forum des jeunes PanAfricains en Économie Bleue » izay kasaina hotanterahana eto Madagasikara.– Fampiroboroboana ny « Plateforme SIDS », noho i Madagasikara izay isan’ireo Firenena mitarika ao anatin’izany.– Ny mahakasika ny PFRS manokana hoan’ny eo anivon’ny COMESA izay efa vonona sy handalo famakafakana sy fankatoavana tsy ho ela.Tsiahivina ihany fa ny UA-BIRA dia isan’ireo mpiara-miombona antoka vahiny nasaina manokana ary nahatonga solotena nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena momba ny Toekarena Manga andiany faharoa notanterahina tao Toamasina, Faritra Atsinanana, ny 5 – 6 Septambra 2024 teo ary sambany tamin’ny tantara izany.
- Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, Faritra Analamanga « Atelier sur l’alignement des stratégies nationales de Pêche et d’Aquaculture et des plans nationaux d’investissement agricole au référentiel d’action et la stratégie de réforme de la pêche et de l’aquaculture en Afrique et l’adaptation aux changements climatiques, y compris la formulation de recommandations pour la domestication des instruments mondiaux pertinents »Taorian’ny atrikasa fankatoavana nafahantsika namoaka ny « Document stratégique aligné à la PFRS (Policy Framework and Reform of Fisheries) » na ihany koa tahirin-kevitra mandrafitra ny paikady iraisana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ho fanavaozana sy fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano tamin’ny herintaona katroka toy izao dia miroso amin’ny dingana manaraka isika satria i Madagasikara dia anisan’ny Firenena nahavita nanatanteraka izany tao anatin’ny fotoana fohy. Izao dingana manaraka izao dia mifanitsy tanteraka amin’ny andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara voasoratra ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) mahakasika ny harena anaty rano tsara tantana. Ny tanjon’ny fikaonan-doha mandritra izao atrikasa fakan-kevitra sy fankatoavana izao dia ny mba hafahantsika mampifanitsy ireo paikady ananantsika miisa 14, ahitana ireo lalàna sy drafim-pirenena ho fampandrosoana sy fampiasam-bola (plan de développement et d’investissement) mifanaraka amin’izay sy amin’ireo paikady Iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano (PFRS et Instruments mondiaux) ary ny Toekarena Manga. Hamoahana ihany koa tahirin-kevitra voahitsy hafahana mandray fanapahan-kevitra sy hafantarana an’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ary hamoahana drafim-pirenena fampifanarahana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (PNA). Izany rehetra izany dia mba hafahantsika miara-miainga amin’ireo Firenena mivondrona ao anatin’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ao anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano. Marihana fa i Madagasikara dia isan’ireo Firenena nahavita nandrafitra izao paikady voahitsy afaka ampiasaina avy hatrany izao ka manomboka izao dia ho raisina eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ny mahakasika an’i Madagasikara amin’ny tokony hatao hafahana miroso amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ireny fitaovana nosoniavintsika ireny. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hôtel Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, ny faha 09 Septambra 2024 ka haharitra 03 andro ity atrikasa fankatoavana ny valin’ny famakafakana ireo atontan-kevitra sy lalana ho an’ny fampandrosoana ny Jono ity izay hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa « FISHGOV 2 » izay vatsian’ny Vondrona Eorôpeana. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera. Nisy ny fampahafantarana ny valin’ny fanadihadiana miisa roa narahana asam-baomiera sy fikaonan-doha mialohan’ny fankatoavana azy nandritra ny roa andro voalohany. Tonga nanatrika ny atrikasa famaranana Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera hatrany.
- Ankorondrano, Antananarivo« Dialogue national du Fonds pour l’Environnement Mondial de Madagascar » (FEM), huitième cycle de programmationNotontosana nandritra ny 2 andro teny amin’ny Novotel Ankorondrano, ny Fikaonan-doha nasionaly hoan’ny tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny faha 27 Aogositra 2024. Fihaonana natrehin’ny delegasion’ny FEM notarihin’Atoa Filoha Tale Jeneraliny, Carlos Manuel Rodríguez. Tonga nanome voninahitra ny fikaonan-doha ihany koa ny Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Atoa Max Fontaine Andonirina. Tsiahivina hatrany fa mifampiankina tanteraka ny resaka tontolo iainana sy ny sehatry ny Jono ary ny Toekarena manga. Ny fisian’ny ala no mampisy ny rano ary ny rano no mampisy ny Toekarena Manga. Anisan’ny tena nojerena nandritra ity fikaonan-doha ity ny fanaovana jery todika ireo Tetikasa efa vita teo aloha sy ireo afaka hanatsarana izany. Marihana fa nandritra ny 30 taona niaraha-niasa tamin’ny Madagasikara dia Faritra 24 no efa nisitraka ny tohana avy amin’ny FEM.
- Sambava, Faritra SAVAFankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano Andiany fahatelo (JNA 3è Edition)Tontosa nandritra ny 03 andro, ny faha 22 hatramin’ny 24 Aogositra 2024 lasa teo, tao Sambava, Faritra SAVA, ny fankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo (JNA 3è Edition) tamin’ity taona ity, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana Anaty Rano (DA). Natomboka tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanana niarahana tamin’ny solotenam-panjakana, ny teo anivon’ny Ministera, ny mpiara-miombona antoka, ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana maro samihafa, ny mpanjono, ny mpiompy trondro ary ireo mpandray anjara rehetra, ny andro voalohany. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana samihafa ary nosokafan’Atoa TILAHY Desiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Nisy tao aorian’izay ny fitsidihana ireo trano heva nahitana fampirantina ny vokatra isan-karazany misy any an-toerana sy ny manodidina. Ny faha 23 Aogositra 2024, andro faharoa, kosa dia niroso tamin’ny fanadiovana ny vinany teo amin’ ny morontsiraka Sambava Centre nu rehetra. Teo ihany koa ny fampiofanana ireo mpanjono, ny mpiompy trondro ary ny mpanao kinanga mahakasika ny fiompiana janga, ny fambolena lomotra, fiompiana trondro ary fanatavezana drakaka. Ny fahatongavan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert kosa no nanamarika ny andro faharoa ka nisy avy hatrany ny fitsidihana ny trano heva sy fifanankalozana tamin’ireo mpisehatra rehetra. Niroso tamin’ny fambolen-kazo niarahan’ny rehetra notarihan’Atoa Ministra kosa ny andro fahatelo ka zanakazo miisa 2 000 no novolena tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahala, nahitana Hintsim-bazaha (Pongamia pinnata) sy Tsararavina (Intsia bijuga) entina mampiroborobo ny Toekarena Manga sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, niarahana tamin’ny DREDD, ireo mpanjono sy mpiompy trondro ary ireo mpanao kinanga. Tao aorian’izay no nanolorana fampitaovana ny fikambanana « Dauphin Bleue » tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahalana, Distrikan’ny Sambava talohan’ny nanakatonan’Atoa Ministra tamin’ny fomba ofisialy ity Androm-pirenena ho an’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo ity.
- Andohatapenaka , AntananarivoFanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fier mada Andiany faha-25Toekarena ambanivohitra miroborobo, harovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra amin’ny asa famokarana. Io no lohahevitra fanentanana mandritry ity Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Toekarena Ambanivohitra eto Madagasikara Andiany Faha-25 ity izay tanterahana mandritry ny 5 andro eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. 75% ny Malagasy dia tantsaha avokoa ary isika eto Madagasikara dia manana ireo karazana vokatra maro izay mampiavaka antsika amin’ny hafa ka natao izao Tsenabe izao ho fanomezana-danja manokana ho azy ireo hahafahany mampiranty ireo vokatra na avy amin’ny fambolena na fiompiana na amin’ny sehatry ny Jono ary indrindra ny amin’ny resaka fitadiavana lalam-barotra. Raha hoan’ny sehatry ny Jono dia miankina betsaka amin’ireo sakafo-trondro no mampahomby ny fiompiana azy na tsia , misy ireo vokatra provandy vita avy amin’ny tsako, sns… izay afaka atao tsara ho azy ireo, eo ihany koa ny fiompiana lalitra . Hatreto dia mahatratra 350 000 taonina ny provandy mbola tokony ho vokarina ho amin’izany. Miisa 450 ireo trano heva eny an-toerana ary mandray anjara ao avokoa ireo tantsaha avy amin’ny lafy valon’ny Nosy. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy androany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert.
- MPEB Ampandrianomby, AntananarivoFanolorana fitaovana sy fanamiana ary vatsy hoan’ny delegasion’ny Ministera hanatrika ny lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024Nitsodrano sy nanolotra fitaovana miampy fanamiana sy vatsy hoan’ireo mpikatroka baolina kitra sy Basket ball, solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, hiatrika ny lalao ara-panatanjahantena hoan’ny mpiasam-panjakana na ASIEF 2024 hotanterahana any Antsirabe ny faha 05 hatramin’ny 18 Aogositra 2024, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’Atoa Sekretera Jeneraly sy ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera, androany 01 Aogositra 2024, tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ao Ampandrianomby.Marihana fa taranja roa no handraisan’ny MPEB anjara dia ny Baolina kitra sy ny Basket ball ka miisa 35 ireo delegasiona handrafitra izany.Hoan’ny taranja Baolina kitra :– Maillot, Faux bas, Dossard : 25 avy.– Ballon de match : 5– Brassard capitaine : 2Hoan’ny taranja Basket ball kosa :– Maillot : 17– Ballon de match : 4Ankoatra izay :– Survêtement : 35– Rano Cristalline 1l : 12 pack– Vary : 6 gonyTsy adinon’ireto mpikatroka no nisaotra tamin’izao fanomezana izao ary nanome toky ny hiezaka sy hanome ny herin’izy ireo rehetra amin’izao lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024 izao mba ho voninahitry ny Ministera.ALEFA MPEB, Ensemble on ira loin !
- Prix de Leadership Africain pour l’Économie Bleue décerné auMinistre de la Pêche et de l’Économie Bleue, Dr MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert
- Siège de la FAO – Viale delle Terme di Caracalla – Rome ITALYfivoriana antampony iraisam-pirenena faha 36 ny komitin’ny Jono (36th COFI).Tontosaina eto anivon’ny FAO ny 08 – 12 jolay 2024 ny fivoriana antampony iraisam-pirenena faha 36 ny komitin’ny Jono (36th COFI) ka Firenena miisa 194 mpikambana eo anivon’izany Komity Iraisam-pirenena ny Jono (COFI) izany no samy voasolo tena eto ka anisan’izany i Madagascar amin’ny alalan’ny Rtoa DRPEB Vakinankaratra izay nahazo fanasana manokana amin’ny maha mpanamora « Facilitateur » azy eo anivon’ny Vondrona Afrikana (AU-IBAR) sy ny Vovonana « SIDS’ Afrikana, ny ekipa WWF sy ny solotenan’ny Mpanjono ary ny ekipa ny maso ivohon’ny Madagascar aty Rome.Marihina fa mandray anjara ihany koa isika Malagasy amin’ireo « Side Event » maromaro toy ny « Session 10eme anniversaire PFRS » sy ny « 3eme réunion Plateforme SIDS africaine » ary indrindra ny fisoloana tena an’i Madagascar amin’ny maha Firenena mambra ny COFI azy. Izany no hatao mba hikarohana fiaraha-miasa ho fampandrosoana hatrany ny sehatry ny Jono Malagasy.
- Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra AnalanjirofoFampiofanana momba ny fambolena lomotraNandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert dia nampiofana ireo solontenan’ny Mpamboly lomotra ao Sainte Marie ny tenany. Niatrika izao fizarana izao ny solontenan’ny Orinasa telo sy ireo Mpamboly tsy miankina. Marihina fa manodidina ny 1.000 ny isan’ireo olona manao izany fambolena lomotra izany ary manodidina ny 200 taonina isan-kerinandro ny vokatra lomotra lena.Nambaran’Atoa Minisitra fa mahatratra 36 tapitrisa taonina isan-taona ny lomotra vokarina manerantany. Ary i Azia no mitazona ny loha laharana satria maherin’ny 70% no lomotra vokarina ao. Manodidina ny 3.000 taonina isan-taona kosa ny vokatra eto Madagasikara ankehitriny raha toa ka 1.200 taonina izany ny taona 2021. Tanjona ny hahatratra 25.000 taonina lomotra maina ny Taona 2030.Manoloana izany tanjona izany dia efa miparitaka manerana an’i Madagasikara ny fambolena lomotra ankehitriny izay hita ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe, DIANA, SAVA, Analanjirofo. Teknika roa no tena ampiasaina, ilay off bottom na fambolena miala kely amin’ny tany sy ny longline izay miala kely ihany koa ny faritra ambanin’ny ranomasina (surface). Samy mampiasa tady ireo teknika ireo. Ka ilay fampiasana tsatoka na piquet en galva no tena mampiavaka ny fambolena lomotra ao Sainte Marie.
- Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Fitsidihana tsenan’ny trondro sy fihaonana amin’ireo mpivarotra trondroNijery ireo toerana ivarotana trondro sy nihaona amin’ny Mpivarotra trondro ao Sainte Marie ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante. Hita teto fa tena mbola manana vokatra ity faritra ity ary voamarina fa ny vahoaka aty no isan’ny tena mihinana trondro betsaka eto Madagasikara.Hatsangana tsy ho ela ihany koa ny fikambanana RENAFEP na ny Reseau National des Femmes œuvrant dans la Pêche hahafahana manohana ireo renim-pianakaviana izay misehatra amin’ity fihariana ity. Hatao ihany koa ny fampifandraisana azy ireo amin’ireo tambajotra eto Madagasikara sy ao Afrika.
- Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra AnalanjirofoFitsidihana ny toerana fampagatsiahana vokatra (chambre froide)Ity toerana ity dia fiarahamiasa miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamana, ny tsy miankina ary ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga izay notohanan’ny ONG GRET. Manana fahafahana 08 taonina (capacité de congélation) ary ahitana milina manamboatra ranomandry (la glace en paillette) 500kg isanandro. Mampidi-bola manodidina ny Ar5 tapitrisa isam-bola io toerana io kanefa mbola 800kg amin’ny 08 taonina no tonga ao.Nanentana ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Manampahefana izay nanotrona azy ary nanome ireo toromarika ny hanadiovana ny manodidina.
- Fokontany Ambatorao, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Fanolorana fotodrafitrasa ho fanohinam-bokatra Avy andranomasinaIsan’ny mamatsy vokatra andranomasina an’i Ambodifotatra izay ahitana olona betsaka indrindra ao Sainte Marie i Ambatorao noho izy isan’ny ahitana Mpanjono betsaka. 30km any amin’ny tapany avaratr’i Sainte Marie no misy azy. Mivoaka avy ao ny trondro, ny horita sy ny maro samihafa…Natolotra ireo Mpanjono ity fotodrafitrasa ho fanodinana vokatra ity hahafahana manao fumage sy séchage ary manena ilay vokatra simba nohon’ny habetsahany. Ahitana efitra fanodinam-bokatra sy efitra fitahirizana vokatra ity toerana ity ary efa azo ampiasaina.Faly ireo Mpanjono ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante izay notronin’ireo Olomboafidy sy Olomboafidy aty an-toerana.
- Ankôbahôba, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo fihaonana amin’ireo Mpamboly lomotraNandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga eto Sainte Marie ity dia nisy ny fihaonana izay niarahany tamin’ireo Mpamboly lomotra. Nanontany ireto farany hoe maninona no fetraina ho 600 toratady (600 lignes) ny olona iray sns. Ao ihany ihany koa ny resaka vidin’ny lomotra izay Ar100/kg ny lena.Nanambara ny Minisitra fa asiana io fetra io ho an’ny Orinasa NBS izay tsy lalàna akory fa fomba napetraka mba hahafahan’ny olona iray hahavita hikarakara tsara ilay fambolena ataony ka tsy hisy fandotoana ny tontolo iainana. Nanambara ihany koa ny tenany fa Mbola hanao fanadihadiana momba ny vidin’ny lomotra manerana an’i Madagasikara sy aty Afrika (benchmark) ka handroso sosokevitra avy eo.Afa-po amin’ny fifanakalozana ara-teknika sy momba ireo lalàna vaovao toy ny didim-pitondrana laharana 841/2024 mahakasika ny fambolena lomotra eto Madagasikara ny roa tonta. Nanotrona an’Atoa Minisitra teto ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Sainte Marie sy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.
- Ankobahoba, Ilampy, Lôhatrôzogno, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo fanarahamaso ireo fambolena lomotraRaha tsiahivina dia Orinasa Mpamboly lomotra telo no misy eto Sainte Marie (Madalague, SOVALG ary Nosy Boraha Seaweed na NBS). Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ny vokatra azo ary mampiasa olona mivantana sy ankoloka manodidina ny arivo. Mapidi-bola eo amin’ny Ar1,5 ka hatramin’ny Ar2 tapitrisa isam-bolana ny fambolena lomotra eto Sainte Marie.Ilay teknika fambolena « semi flottante » no hita eto. Mampiasa ilay « piquets en galva » mba hialana amin’ilay fampiasana hazo. Tsy misy intsony ny fampiasana ilay piquets hazo izay nohatsaraina ankehitriny. Marihina ihany koa fa tsy mampiasa bouteilles en plastique ny eto Sainte Marie ary ity modely ity no haparitaka maneraka an’i Madagasikara.Nanao ny fanarahamaso rehetra ny fambolena lomotra izay ataon’ireo Orinasa telo eto antoerana ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary nanamafy fa mila fazotoana ity asa ity satria mila fikarakarana isanandro toy ny fanesorana ireo lomotra ratsy (mitovy amin’ny ahi-dratsy ihany amin’ny fambolena antanety). Nanome ireo toromarika samihafa ny tenany hanatsarana hatrany ity sehatr’asa ity.
- Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Nivaha tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana ny olan’ny fambolena lomotraTaorian’ny fifampiresahana tamin’ny hery velona rehetra izay notarihin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante momba ny olan’ny fambolena lomotra dia hita fa tsy olana ara-teknika velively ny olana nisy nandritry ny volana maromaro fa olana arak’olona.Manoloana an’izany dia niroso amin’ny fampihavana ireo ahitana olana rehetra ny Minisitra Tomponandraikitra ary nahitam-bokany izany. Nanaiky ny fandaminana napetraka ireo hery velona rehetra izay natrehin’ireo Manam-pahefana isan-tsokajiny rehetra aty an-toerana. Voafetra ho isaky ny 15 andro ny fandoavana ny volan’ny mpamboly lomotra. Ho raisin’ny Orinasa NBS sy SOVALGUE avokoa ireo vokatra tsy lanin’ny Orinasa Madalague. Samy hanitatra ireo toerana hanamainana lomotra ireo Orinasa telo ka tsy misy ahiana ny fandraisana lomotra eto Nosy Boraha.Niafara tamin’ny lanonana ara-pomba Malagasy tamin’ny alalan’ny famonoana omby sy ny sakafo mitam-pihavanana ny famahana ny olana nisy teo amin’ny Mpamboly lomotra sy ny Tompon’Orinasa iray eto Sainte Marie. Nisaotra ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga ary nanamafy hatrany ny fahavononany sy ny departemanta tarihiny hanohana ity fihariana lomotra ity mba hisorohana ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.
- Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Famahana ny olana momba ny fambolena lomotraEfa amam-bolana maromaro no naharaisana fitarainana ny mahakasika ny fambolena lomotra aty Sainte Marie na Nosy Boraha. Tsiahivina fa Orinasa telo ankehitriny no mamboly sy manondrana lomotra aty an-toerana : Madalgue, SOVALGUE ary NBS na ny Nosy Boraha Seaweed. Mamorona asa mivantana manodidina ny arivo eo ho eo ireo Orinasa ireo ary tanora amam-behivavy avokoa ny ankamaroany.Marihina ihany koa fa vokatra manodidina ny 200 taonina lena (algues fraîches) isam-bolana no raisin’ireo Orinasa telo ireo. 3.000 taonina maina (30.000 taonina lena) isan-taona no vokatra aondran’i Madagasikara isan-taona. Tanjona ny hanondranana hatramin’ny 25.000 taonina maina mialohan’ny taona 2030 ka izany no mahatonga ny Minisitera mametraka ireo paikady rehetra. Navoaka ny « arrêté » na Didim-pitondrana laharana 841/2024 mifehy ny fambolena lomotra eto Madagasikara.Namory ireo mpamboly lomotra, Tompon’Orinasa ary Raiamandreny ahitana olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Nosy Boraha ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert hitadiavam-bahaolana maharitra momba ny fambolena lomotra izay mampidi-bola hatramin’ny 02 tapitrisa ariary isam-bolana isaky ny fianakaviana izay manao azy.
- Sainte Marie , Faritra AnalanjirofoFitsidihana hiarahana amin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena MangaAnkoatran’ny resaka Jono Dia seha-pihariana anisan’ny mampalaza an’i Sainte Marie ihany koa ny fambolena Lomotra izay tena Anisan’ny asa fiharian’ny ankamaroan’ny Mponina ao an-toerana.Mandritra ity fitsidihana izay iarahana amin’A/toa MAHATANTE Paubert ity Dia hifampitafa Sy hampiravona ny olana misy eo amin’ny Orinasa mampiasa izany ny tenany miaraka amin’ireo mpamboly Lomotra mba hisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa Tonta hafahana mampiroborobo ity sehatra iray ity ao an-toerana.Ankoatr’izay Dia Hisy ny fitsidihana ny Toerana fambolena ireo Lomotra , ny fihaonana mivantana amin’ireo mpiompy trondro Ary ny fanarahamaso ireo asa fampandrosoana izay sahanin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga any amin’ny Faritra iny.
- Novotel Ankorondrano , Antananarivo , Faritra AnalamangaAtrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoaNotanterahina ny 4 Jolay 2024 ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa vatsian’ny AFD vola izay mifantoka manokana amin’ny fampifandraisana ny fikajiana ny zavaboahary sy ny fampandrosoina lovain-jafy sy maharitra.Tetikasa Dia miara miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga , ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy Ary WWF kosa no Manatanteraka izany.Hifantoka bebe kokoa anatin’ny fampidirana ny fikajiana ny zavaboary ao anatin’ny fomba fanantaterahana sy fiasana eo amin’ny sehatry ny Jono makamba. Ny makamba izay anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ka atao vaidohan-draharaha ny Fijerena azy tsy ho lany tamingana.
- Fanentanana amin’ny tsy tokony hampiasana « Lay misy ody moka » amin’ny resaka fanjonoana
- Atelier de lancement 04 Juillet 2024 – BIODEV2030 Phase II
- Antananarivo ,Faritra AnalamangaFFAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO 4 Jolay 2024Ny eto anivon’ny Ministeran’ny ny Jono Sy ny Toekarena Manga Dia manohy ireo ezaka rehetra amin’ny fanampariahana ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ho fampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fihariana anaty rano.Omena ireo mpiofana avokoa ireo fomba fiompiana trondro rehetra toy ny Fiompiana trondro an-tanimbary ,an-dobo ary anaty fefy mitsingevana.Ho an’ny Anio Dia Teto Ampandrianomby no nanataterahana izany izay Narahina fanentanana avy amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert mahakasika ny zava-dehibe ny asa fihariana fiompiana trondro , ireo fitaovana tsy tokony hampiasaina amin’ny resaka fanjonoana sns…Isaorana hatrany ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana ity Hetsika fampiofanana fiompiana trondro ity.
- Ampandrianomby, AntanananarivoAtelier de restitution de la cartographie des risques de corruption liés à l’octroi d’autorisation de pêche, de collecte et de procédures de contrôle des exploitationsAfin d’améliorer la gouvernance halieutique à Madagascar et de préserver les ressources marines de notre pays, le Service Territoriale de l’Éducation et de la Prévention du #BIANCO Antananarivo avec la collaboration du Service sur la Transparence et Anti-Corruption, #STAC, du MPEB, a organisé un atelier sur la « cartographie des risques de corruption liés à l’octroi d’autorisation de pêche, de collecte et de procédures de contrôle des exploitations » qui s’est tenu le 27 et 28 Mars 2024 à l’hôtel Panorama Andrianarivo.À la suite de cet atelier, une restitution des données collectées a été présentée le 03 Juillet 2024 au sein du Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue Ampandrianomby, Antananarivo dont on a adopté l’approche « Anti-corruption Works » avec l’implication active des acteurs concernés du secteur pêche et aquaculture sur l’octroi d’autorisation de pêche, d’autorisation de collecte, d’agrément sanitaire et d’exportation ainsi que le contrôle des exploitations.Sachant que la corruption est un frein au développement économique d’un pays, Il a été marqué lors de cet atelier que la mise en œuvre de cette cartographie des risques de corruption sera une pierre à l’édifice pour l’éradication de la corruption qui commencera par un volet d’éducation et de prévention.Dans son allocution, Monsieur le Ministre, MAHATANTE Paubert, a souligné l’importance de la collaboration entre le #MPEB, la Société Civile et autres parties prenantes pour la lutte contre la corruption afin que le secteur pêche et économie bleue à Madagascar, soit un exemple de transparence sur tout le continent Africain et dans l’Océan Indien.
- Hotel Président, Séoul, Repoblikan’ny Korea AtsimoFivoriana an-tampon’ny fifanarahana hoan’ny JonoNotanterahina ao Séoul, Korea Atsimo ny 01 ka hatramin’ny 05 Jolay 2024 izao fivoriana an- tampon’ny fifanarahana hoan’ny Jono ao atsimon’ny ranomasimbe Indiana (Accord de Pêche de l’Océan Indien na APSOI/ SIOFA).Anisan’ny mandray anjara feno amin’izany i Madagasikara, amin’ny maha- mpanaramaso ka ny Talem- paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao Antsinanana no nisolo tena azy.Lahadinika maro no dinihina amin’izany ka anisan’izany:–Ny fitantanana maharitra ny Jono ao amin’ny faritra atsimon’nyy ranomasimbe Indiana.-Ny famantarana ireo tahirin’hazandrano sy ireo fitaovana ampiasaina amin’ny faritra lalina (Eau profonde).Ny ady amin’ny jono tsy ara- dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin- dalàna.-Ny fiaraha- miasa amin’ireo vondrom- pitantanana jono hafa izay misy toa ny DOALOS, CTOI etsy akilany.-Eo koa ny fankatoavana ireo asa izay vita tamin’ny taona lasa.Firenena maro no mandray anjara amin’izany izay ahitana an’i Australia, Chine, Taipei Chinois, Thaïlande, Union Européenne, France, Japon, Corée du Sud, Maurice, Seychelles, Mozambique, Comores, Îles Cook.
- Nanisana-Antananarivo, Faritra AnalamangaAtrikasa fiofanan’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTITanterahina mandritra ny 03 hatramin’ny 05 Jolay eny Nanisana-Antananarivo ny fiofanana ho an’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTI. Tanjona ny hampiharana ireo tolo-kevitra voalaza tao anatin’ny tatitra voalohan’ny FiTI Madagasikara ny taona 2022 sy hanatsarana hatrany ny fangaraharan’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga eto Madagasikara.Ireo mpanamahay avy any amin’ny FiTI iraisam-pirenena no manome ny fiofanana ho an’ireto Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ireto izay sady hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiharana izany tolo-kevitra izany eto Madagasikara.Mandray anjara amin’izao fiofanana izao ireo teknisianin’ny Ministera sy ireo rehetra namolavola ny tatitry ny FiTI 2022 miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo Mpiara-miombon’atoka amin’ny Ministera.
- Andrainarivo- Antananarivo, Faritra AnalamangaAtrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalànaEfa maro ireo ezaka nentin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Ankohatran’ny fampitomboana ireo sambo hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara dia zava-dehibe ihany koa ny fanavaozana indray ireo drafitr’asa Nasionaly mahakasika izany ady izany.Arak’izany dia tanterahina ny 02 Jolay 2024 eny amin’ny Hôtel Panorama andrainarivo- Antananarivo ny atrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Atrikasa irahana amin’ireo mpanamahay avy amin’ny BCPA miaraka amin’ny taha-tsoroky ny WWF.Tonga nanokatra izany atrikasa izany ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera Atoa Razafimandimby Joseph Jean Chrisostophe. Marihina moa fa efa nisy ny atrikasa fakan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny Jono sy ireo teknisianin’ny Ministera ary ny mpiara-miombon’atoka talohan’izao atrikasa izao.
- Mahavatse, Toliara I, Faritra Atsimo AndrefanaFanolorana ny sambo Atsantsa IINy ezaka atao momban’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna dia manerana ny Nosy. Ny taona 2022 no naterina tao Toliara ny sambo haingam-pandeha ARGOS 710 Antendromaso II izay manana tanjaka 160CV.Ankehitriny dia nampiana ity sambo haingam-pandeha YAMAHA M12 900CV nomena ny anarana hoe « Atsantsa II » no natolotra amin’ny fomba ofisialy androany izay ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Atoa Paubert Mahatante no nisolotena ny Governemanta, notronin’ireo manam-pahefana tany an-toerana notarihin’ny Prefet an’i Toliara.Marihina fa ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay miara-miasa amin’ny « Marine Nationale » na ny Tafika an-dranomasina no hitondra ity sambo ity miaraka amin’ny APMF, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena izay tonga nanatrika izao lanonana izao. Tonga teto ihany koa ny firaisamonim-pirenena, ny Oniversiten’i Toliara ary ny IHSM.
- Discours de Mr Le Ministre de la Pêche et de l’Economie Bleue, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert au 5ème Dialogue Mondial sur le développement durable des Océans. Bali, Indonésie (01-05 juillet 2024)
- Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra AnalamangaFanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy sy ireo torolalana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano.Lanonana roa sosona no notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrinomby, anio 24 Jona 2024, ankoatran’ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika dia notanterahana androany ihany koa ny fampisehoana ireo boky mahakasika ny torolalana ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano. Hatreto dia tahirin-kevitra miisa 12 no navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fampiroboroboana izany eto Madagasikara tafiditra anatin’izany ny Jono madinika sy ny fihariana anaty rano. Arak’izany dia afaka mirehareha isika satria isika eto Madagasikara no manana izany « document stratégique » maro indrindra, izay lasa modely aty Afrika. Mpiara-miombona antoka maro no nanohana an’i Madagasikara nahatongavana amin’izao, anisan’izany ny FAO. Nitarika izany Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ny avy ao amin’ny FAO sy ireo Mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera. Marihana fa efa azo jerena ao anatin’ny tranokalan’ny ministera amin’ny teny gasy sy frantsay ireo tahirin-kevitra sy torolalana ireo.