Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

TOLIARA
FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIVORIAMBEN’NY TANORA ATY AFRIKA MAHAKASIKA NY TOEKARENA MANGA FOJAEB

Notanterahina Anio 17 Aprily 2025 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny #FOJAEB na Fivoriamben’ny Tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga. Sambany no Nisy ity hetsika Iraisam-pirenena mahakasika ny Toekarena Manga ity eto Toliara, Faritra Atsimo Andrefana.
🧾Tsiahivina fa tany Lomé Togo no natao ny andiany Voalohany tamin’ny Fivoriamben’ny Tanora aty Afrika ity Vondrona panafrikanina (OPJEB) ka nandritra izany no nametrahana ny hetaheta amin’ny hanantaterahina ny andiany faharoa amin’ izany eto Madagasikara ka tanteraka izy ankehitriny. Marihina fa Taorian’ny fifanaovan-tsonia mpiaraha-miasa niarahan’ny Ministera sy ny OPJEB dia Nisy tari-dalana izay napetraka ka Tafiditra tanteraka tao anatin’izany izao hetsika lehibe izao.
Betsaka ireo mpandray anjara avy amin’ny lafy valon’ny Nosy eran’izao tontolo izao Tonga eto Madagasikara hanatrika sy handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana maharitra izay Toekarena Manga izany aty Afrika , ao ireo Tanora , ireo manampahaizana maro ,ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera rehetra hatramin’izay ,
Ho jerena ny fahafahan’ireo Tanora hanaraka fiofanana maro amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, ho jerena ihany koa ny lafiny ara-pianakaviana indrindra ireo renim-pianakaviana satria Rehefa miresaka izany Toekarena Manga izany Dia Tafiditra ao ny resaka #fanjonoana, #ny_fiompiana_anaty_rano, #fihariana_an_dranomasina sy #an_dranomamy ,#ny_fizahantany_Manga izay mifandraika amin’ny rano ,#ny_angovo_Azo_havaozina mifandraika amin’ny rano, Ny sehatry ny #tontolo_iainana satria Raha tsy misy ny ala tsy misy ny ranoary Raha tsy ny rano dia tsy misy ny #Toekarena_manga
Fotoana izao hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny hanovàna ny tantara ka ho tena kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatry ny Toekarena Manga, Mila mifanohana Ary Mifanome tanana Isika indrindra ireo Tanora satria izy ireo no ho avin’izany
Fahombiazana tanteraka ho an’i Madagasikara izao hetsika izao , Hisaorana ireo manam-pahefana rehetra ,ireo mpiara-miombon’antoka,ireo mpikarakara rehetra ka nahatontosana soamatsara ny fandraisana ity Forum ity.