Kaominina Ambonivohitra Mahajanga ,Distrikan’I Mahajanga,Faritra Boeny
Fitsidihina ny orinasa SOGEDIPROMA
Tonga nitsidika ny orinasa SOGEDIPROMA ny solontenan’ny Vondrona Eropeanina ary ny teo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notariahan’ny Sekretera Jeneraly ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Désiré anio 06 Martsa 2025 izay marihana fa ny orinasa SOGEDIPROMA dia manana « Agrément » afaka manondrana ny vokatra haza an-dranomasina makany Eropa.
Tanjon’ny fitsidihina ny hijerena ny toerana sy ny fitaovana ao anatiny ary ny fomba fiasa izay marihina fa manaraka ny fenitra tanteraka.