Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka,Distrikan’Ambatondrazaka,Faritra Alaotra Mangoro
Fidinana ifotony niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina
Trano fitehirizam-bokatra sy famokarana laglasy tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka no notsidihan’ny Vondrona Eoropeanina ary Atoa Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano ny faha 04 Martsa 2025 .
Efa miodina tsara ny toeram-pamokarana ary manaraka ny fenitra takiana ao anaty fifanarahana. Nodinihana teto ny tombontsoa sy ny vokatra andrasana amin’ny fametrahana ity fotodrafitr’asa ity dia ny fihenen’ny fahaverezan’ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fanjonoana
Fotoana ihany koa nifanakalozana sy nanazavana ny sehatra jono an-dranomamy sy ny fiompiana trondro amin’ny ankapobeny.Marihina fa aorin’ny Faritra Alaotra dia ny Faritra Boeny no ho tsidihin’ireto solontenan’ny Delegasiona ny Vondrona Eoropeanina ireto.