Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Boksburg, Afrika atsimo
Fandaniana ny drafitr’asa sy ny teti-bola hatramin’ny martsa 2026

Anisan’ny lahadinika mandritry ny fivoriana faharoa ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC (MCS CC SADC) ny fandaniana ny drafitr’asa sy ny teti-bola hatramin’ny martsa 2026 .
Tafiditra ao koa ny toro-lalana hoan’ny fitantanana ny « organigramme », ny politikan’ny fitantanana ny ara-bola sy ireo antonta-kevitra hafa manodidina an’ny fananganana ny Ivon-toerana.
Fotoana nihainoana ireo vaovao avy amin’ireo mpamatsy vola, izay hanohana ireo ivon-toerana ihany koa, toy ny AU-IBAR, WWF, GIZ, SIF, Traffic, ILO, FishFORCE.
Marihina fa any Boksburg, Afrika atsimo no hanatanterahina ity fivoarina ity nanomboka ny 4 martsa ka hatramin’ny 6 martsa. Madagasikara sy Zambia no mitarika izany.