Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Hôtel Eden Blue, Mahé -Seychelles Jono tsy ara-dalàna
Natsangana ny rafitra maharitra hahafahana mametraka ny fanaraha-maso

Notanterahina ny 25 ka hatramin’ny faha 28 Febroary 2025 tao Mahé-Seychelles,
Hôtel Eden Blu ny fivoriana faha-3 ao anatin’ny Tetikasa PRSP « Plan de Surveillance Régionale des Pêches » na ny Drafitra Fanaraha-maso, Fisafoana ny Jono, hiarahana amin’ireo firenena ato anatin’ny Vaomeran’ny Ranomasim-be Indiana.
Nitarika ny delegasionina malagasy tamin’izany Andriamatoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Nambarany fa olana hiraisana ny Jono tsy ara-dalàna sy tsy voafehin-dalana ka tsara raha mitady vahaolana hiraisana. Anisan’ny antom-pijoroan’ity drafitra ity izany ny taona 2007.
Omaly no natsangana ny rafitra maharitra hahafahana mametraka izay fanaraha-maso izay. Maro ireo firenena avy ao Afrika Atsinana no niditra nandray anjara miaraka amin’ny Madagasikara. Anisan’izany Mozambika, Kenya, Tanzania, ary Somalia.
Marihina fa maro ny tombotsoa azon’ny Madagasikara ao anatin’ity drafitra ity. Tamin’ny taona 2024 ohatra, dia sambo vahiny roa nanjono tamin’ny fomba tsy ara-dalana tato amin’ny ranomasin-tsika no tratra, noho ny fiaraha-miasa tato anatin’ity drafitra ity.