Ivandry-Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa Famaranana ny Tetikasa STAT SANOI ary fanolorana ny « Les Plateformes d’information sur l’Agriculture et la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle ».
Nandritra ny telo taona no nisin’ny tetikasa STAT SANOI izay niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina nampian’ny FAO izay nanagona ireo antontanisa eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Ankehitriny tapitra ilay tetikasa ary misy ny « plateforme » izay napetraka afahana manana ireo antontanisa rehetra eo amin’ireo sehatra telo ireo.
Zava-dehibe ny fananana izany antontanisa izany ahafantarana firy marina ny vokatra ananantsika sy ny fomba izarantsika azy, firy no mbola tadiavina sy ny fomba itadiavana izany. Manampy betsaka amin’izany ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ka amin’ny alalan’ny finday dia efa fantatra ny zava-misy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao hoe aiza no misy vokatra, ny habetsany, ary aiza ireo no alefa.
Tsara ny manamarika fa iarahantsika amin’ny avy ao amin’ny Nosy Seychelles, Maurice ary Comore izao tetikasa izao atao izao ary indrindra ilay « Plateforme » izay vao napetraka. Ankehitriny dia antsika ilay « plateforme » ary anjarantsika no mametraka ireo antontanisa ao anatin’izany. Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert moa no nanokatra ity Atrikasa ity tamin’ny fomba ofisialy notronin’Atoa Solotena maharitry ny FAO eto Madagasikara sy Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Atrikasa notanterahina teny amin’ny Novotel Ivandry-Antananarivo.