Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andrainarivo-Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa famohana amin’ny fomba ofisialy ny tatitry ny FiTI 2023.

Ny faramparan’ny taona 2021 i Madagasikara no niditra tao amin’ny fangaraharan’ny sehatry ny Jono izay Firenena faha dimy nasahy niditra tamin’izany. Ny taona faramparan’ny taona 2023 Vondrona marolafy nasionaly (Groupe Multi-partite National GMN) no namoaka ny Tatitra voalohany ho an’izay fampangaraharahan’ny sehatry Jono izay, nampahafatarina an’ izao tontolo tamin’izany ny hoe inona avy ireo « accord de pêche », firy ny vokatra alain’ireo olona ireo, ny vola izay nalohany sy ny hampiasana izany sy ny fampiharana ny lalana manodidina izay.
Ankehitriny dia tonga amin’ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny tatitry FiTI 2023 ny Vondrona marolafy nasionaly (Groupe Multi-partite National GMN). Ao amin’ny Hôtel Panorama Andrainarivo-Antananarivo no anatanterahina izany iarahana amin’ireo mpiantsehatra isan-karazany : solotenan’ny Ministera, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombona antoka.
Raha ho an’ny tatitra 2023 dia nahitana fiatsarana ny fangaraharahan’ny resaka jono an-dranomasina satria nanasongadinana manokana teboka 12 raha toa ka teboka miisa 06 no narafitra nandritry ny tatitra voalohany hoan’ny taona 2022. Tonga nanokatra izany Atrikasa izany tamin’ny fomba ofisialy moa Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano, sy Rtoa Filohan’ny Vondrona Marolafy Nasionaly no sady Point Focal National FiTI eto Madagasikara ary Rtoa Sekretera Nasionaly ny FiTI Madagasikara.