Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

EFA TAFAVERINA AN-TANETY AVOKOA IREO MPANJONO 424 TAVELA AN-DRIAKA TATY AMIN’NY FARITRA ANDROY

Isaorana ny lehibe indrindra fa tafaverina avokoa ireo mpanjono 424 refa noentin-driaka nandritra ny andro ratsy teto amin’ny Faritra Androy ny Talata lasa teo ary tsy nisy ny aina nafoy . Ho an’ny androany, voatatitra avokoa ny hakamaroan’ireo mpanjono izay tao amin’ny kaominina Ranobory, Sarisambo sy Analapatsy ary Faradofay. Samy haterina ao Maroalomainty avokoa izy ireo izay toerana fonenany avy. Marihina fa Nisy ihany koa ireo vadina mpanjono izay nahavita dian-tongotra lavitra tamin’ny fitsenana ireo mpanjono.
Niaraka tamin’ny fakana sy fanaterana azy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra izany . Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana, ireo mpisehatra rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanampiana rehetra nandritra ny fanavotana ireo mpanjono ireo.