CCI Ivato, Antananarivo
Fakan-kevitra entina hampivoarana ny famokarana mahakasika ny jono sy ny fihariana anaty rano
Anisan’ny nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fakan-kevitra entina hampivoarana ny famokarana mahakasika ny jono sy ny fihariana anaty rano nandritra ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concentration nationale sur la transformation agricole » teny amin’ny CCI Ivato, androany faha 23 Janoary 2025.
Tanjona tokana no navoitra dia ny fampiroboroboana ny seha-pihariana jono sy ny fihariana anaty rano.
Hoan’ny Ministera manokana raha mahakasika ny jono dia efa maro ireo foto-drafitrasa vita sy mbola eo an-dala-pahavitana ary mbola haorina sy ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-teknika ireo mpanjono madinika manerana ny Nosy. Ny olana misy nefa dia betsaka ny vokatra very sy simba ka zay no hilana fanodinam-bokatra ary maro ihany koa ireo vokatra miondrana any ivelany raha toa ka tokony mbola hisy ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana.
Hoan’ny Fihariana anaty rano kosa dia efa miezaka ny Ministera manome fiofanana maimaim-poana manerana ny Faritra eto Madagasikara mba ho fampiroboroboana izay Fihariana anaty rano izay. Eo ihany koa ny fanampiana ireo tantsaha mpiompy trondro amin’ny alalan’ny fanomezana zanatrondro azy ireo ary ny farany dia ny fananganana foto-drafitrasa toy ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) manerana ny Nosy. Ny olana kosa dia mahakasika ny sakafo-trondro izay tena mbola lafo vidy hoan’ireo tantsaha nefa ny akora rehetra dia hita sy azo vokarina eto an-toerana avokoa ka mila jerena manokana ny mahakasika izay mba tsy ho sakana amin’ny fampiroboroboana ny Fihariana anaty rano.
Nafana ny ady hevitra sy ny fifanakalozana ary tsapa tokoa fa efa maro no liana amin’ity seha-pihariana ity.
Hatolotra ny tompon’andraikitra ny fehin-kevitra nivoitra nandritra izao fakan-kevitra izao ary hoaravona miaraka amin’ireo lohahevitra hafa nodinihana sy nifanakalozana nandritra izao fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara izao.