Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra, Faritra Atsimo Andrefana
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025

Araka ny tetiandron’ny fambolen-kazo isam-paritra dia notanterahana ny faha 17 Janoary 2025 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 hoan’ny Faritra Atsimo-Andrefana, nampitondrana ny lohahevitra « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ».
10.000 isa no zanakazo novelena tao anatin’ny velaran-tany mirefy 10Ha, nahitana : Maroserana, Atratra (Jatropha mahafaliensis), Baobab, Kapaipoty, Kily, Bonara ary Daro.
Tonga nanome voninahitra an’izany ny Minisitrin’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy niaraka tamin’ny zanakin’ny Filoham-pirenena, nampiatranoin’ny Solombavam-bahoakan’i Benenitra sy ny Lehiben’ny Distrika, notronin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Andrefana sy ireo FDS, STD, PTFs, fokonolona, mpianatra marobe. Nandray anjara feno tamin’izany ihany koa ny avy ao amin’ny DRPEB Atsimo-Andrefana nisolo tena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB).
Anisan’ny nanamarika ny fotoana ny hafatra avy tamin’Atoa Minisitra ho an’ny Governemanta, ny Solombavambahoaka, ny filan’ny Distrikta fotodrafitrasa (infrastructures hydro-agricoles…), mba hisian’ny fampadrosoana maharitra dia ilaina nyy fanaraha-maso ny zanakazo nifoforana sy voavoly mba tena haniry.