PK38.5 , Anosibe an’ala, Faritra Alaotra Mangoro
FERME PISCICOLE MAHASOA : ZANA-TRONDRO MANODIDINA NY 1 TAPITRISA NO MIVOAKA ARY HO HAPARITAKA AMIN’NY VIDINY 200ar
Taorian’ny fandalovan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny taon-dasa dia nampihatra avy hatrany ireo toromarika rehetra ny tenany izay nahafahana namokatra zana-trondro manodidina ny 1 Tapitrisa . Tsy ho ela arak’izany Dia hamatsy trondro an’Anosibe an’ala Manontolo ity ny Ferme Piscicole Mahasoa an’A/toa Samoela ity. Marihina fa Dobo Miisa 50 no hita ao an-toerana izay Efa nangalana zana-trondro ho alefa ao anosibe an’ala.
Nambaran’A/toa Minisitra rahateo fa vonona ny hanampy azy ny eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanampiana azy hanatratra izany Tanjona izany.
#MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #ANOSIBE #AN_ALA #FARITRA_ALAOTRA_MANGORO.