Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

« Camp Flacourt », Kaominina Tolagnaro, Distrikan’i Tolagnaro, Faritra Anôsy
Ady amin’ny doro-tanety

Nanatanteraka fivoriana ny mpikambana ao anatin’ny « Centre Operationnelle » na ny CO eo anivon’ny Faritra Anôsy, misahana ny fandrindrana ny ady atao amin’ny doro-tanety, androany 13 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano fivoriana « Camp Flacourt ».
Tonga nandray anjara sy niatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert sy ny Minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana.
Nisy ny famelabelarana mahakasika ny andraikitry ny CO sy ny iraka ataony, taorian’izay dia notaterina nandritra ny fivoriana ny tatitra mahakasika ny tranga doro-tanety tao anatin’ny 6 andro nijoroan’ity CO ity teto anivon’ny Distrika.
Araka ny tatitra dia tranga na doro-tanety miisa 28 no hita ary natrehina tao anatin’izay 6 andro izay. Marihana fa vao omaly 12 Janoary alina no nisy tranga farany ka niara-nisalahy tamin’ny famonoana izany ny tompon’andraikitra eto amin’ny Faritra, niaraka tamin’ny Minisitra mirahalahy voalaza etsy ambony.
Nisy ny fandraisana anjara fitenenana avy amin’ny Minisitra ka nanomezany toromarika sy fampaherezana ireo mpikambana ao amin’ny CO manoloana ity ady amin’ny doro-tanety ity.